SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ary hitohy anio ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo, sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Mpikatroka maherin’ny 300 no mandray anjara amin’ny fifanina­nana.

Hotontosaina ny 7 avrily ho avy izao, eny amin’ny SRK Karting Imerintsiatosika ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto slaloom scooter, dingana faharoa. Tsara marihina fa ny klioban’ny le Scoot Racing Club (SRC) no mikarakara ity fifaninanana ity. Tsara ny mampatsiahy fa natao teny Ivato, tamin’ny 10 marsa lasa teo ny dingana voalohan’ity fifanintsanana ity.

Mihemotra ny 9 avrily izao, ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamangan’ny karaté. Fifidianana tokony notanterahina, ny talata teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina saingy, tsy tontosa noho ny tsy fahafenoan’ ny “Quorum”.

Mpilomano 405 avy amin’ny ligy 7 manerana ny Nosy no hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano 25 metatra. Fifa­ninanana hatao eny amin’ny dobo filomanosana Antanimena, manomboka ny alakamisy 27 marsa izao.

Partager sur: