SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina any Antalaha sy Sambava, ny 13 hatramin’ny 19 mey ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra eny amin’ny torapasika, «Beach Soccer». Miisa 10 ireo ligy mandray anjara amin’izany. Tsara marihina fa hatao ny volana jolay, any Manakara, ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara.

Notontosaina nanomboka ny 26 marsa lasa teo, teto Antananarivo, ny fifaninanana Afrikanina ho an’ny taranja tenisy, sokajy zandriny U14, lahy sy vavy. Miisa dimy ireo Malagasy niatrika ny lalao ampahefa-dalana, omaly. Anisan’izany ry Chrystella, Ainatia, Matei sy i Christophe ary Ny Avo.

Hisokatra amin’ny 7 avrily ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Manao fanentanana ho an’ireo klioba ny eo anivon’ny Malagasy Rugby, mba hanavao ny kara-pilalaovana amin’ity taom-pilalaovana ity.

Afaka andro vitsy, hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2024”, indray ny mpakafy baolina kitra maneran-tany. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fihaonana eo amin’ny Manchester City Anglisy sy ny Real Madrid Espaniola. Fihaonana izay hatao ao Santiago Bernabeu Espagne, ny 9 avrily ho avy izao.

Partager sur: