Tsipy kanetibe : lelavola 2 tapitrisa Ar no hiadivana

Hotanterahina eny amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, manomboka ny 5 hatramin’ny 7 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madaga­sikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “séniors”, lehilahy, lalaon’olona telo. Araka ny vaovao nampitan’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), omena 750 000 Ar izay mahazo ny laharana faharoa ary 5 hetsy Ar avy ny an’ireo ekipa fahatelo sy fahefatra amin’izany.
Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fifanintsanana ho an’ireo sokajy hafa, toa ny vehivavy “seniors”, zandriny “juniors”, zokiny “vétérans”. Tsara ny mampahatsiahy fa hifarana rahampitso ny fe-potoana nomena ireo klioba sy mpilalao amin’ny fanavoazana ny kara-pilalaovana amin’ity taona 2024 ity. Izay manana kara-pilalaovana ihany no afaka mandray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2024 ity.
Raha esorin’ny Fede­rasiona iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe ny sa­zin’i Madagasikara, dia izay mandresy amin’ity no solontenan’i Madagasikara mandritra ny fifaninanana Afrikanina, sokajy lahy sy vavy, any Maroc, ny volana jona ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: