Mois : mars 2024

SOMBIM-BAOVAO

Vokatra tsara no azon’ny solontena malagasy, niatrika ny fifaninanana “Open International de Saint Denis”, taranja Judo, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly alimo iray avy, ny judokas malagasy roa vavy, i Colline sy i Sarah. Hatao ny 16 sy 17 marsa izao eny amin’ ny ANS […]

Savorovoro tany Toliara : manameloka ny herisetra ny FMF

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao eo amin’ny baolina kitra malagasy, ny savorovoro nitranga tany Toliara, ny alahady lasa teo. Fihaonana nikatrohan’ny Dato FC sy ny 3FB Toliara, andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena na ny “Pureplay football league” (PFL). Manoloana izany, namoaka fanambarana ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona […]

Lalao Afrikanina : nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura

Nanakoako indray ny hiram-pirenena, tao Accra Ghana, omaly, nandritra ny fifaninanana teo amin’ny taranja Judo, ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina. Nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Noporofoin’i Laura indray ny maha sangany azy eto Afrika, nandritra ny ady natrehany, omaly. Tsy nisy afa-bela nanoloana […]

“Viavy Film Festival”: fantatra ireo sarimihetsika hifaninana

Nampahafantarin’ny tomponandraikitry ny “Viavy Film Festival”, omaly, ireo sarimihetsika voafantina hiatrika ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana. Miisa 12 izy ireo. Ny 15 marsa 2024 no hi­fan­dimby handeha eny amin’ny Canal Olympia Andohatape­naka ny horonantsary. Mari­hina fa sarimihetsika nosoratana sy novokarina ary notontosaina vehivavy no mandray anjara. Tanjona ny hanome sehatra […]

TARATRY ny KANTO

Zandry Gasy eny amin’ny No Comment Bar Isoraka. Taorian’ilay seho lehibe voalohany ny 3 marsa teo, manome fotoana ireo mpankafy indray ry zalahy anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Sehatra ho an’ny ba gasy sy ny hira vokatry ny tany indray ny ao amin’ity toerana efa mahazatra ireo mpankafy mozika […]