Mois : mars 2024

Filohan’ny HCC : “Hatao araka ny Lalàmpanorenana ny fifidianana”

“Nanome toky azy ny Fi­tsa­­rana avo momba ny Lalàm­pa­no­renana ary manome toky ny vahoaka malagasy sy ny mpanao politika ary ny kandidà fa hanao araka ny Lalàm­pano­renana, antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny fifidianana depiote”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny La­làmpanore­nana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fitsidihana […]

Politika ankapoben’ ny fanjakana: naverina ny fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam-pitsarana

Ao anatin’ny fanatanterahina ny politika ankapoben’ny fanjakana, ny minisitera fitsarana. Naverina ny fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra. Tanterahina any Toliara, mandritra ny telo andro, nanomboka omaly, ny Fihaonamben’ny lehiben’ny Sampam- pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra na ny «Journées des Chefs des Juridictions Judiciaires». Nanokatra izany tamin’ny […]

INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely, teo Ambohidahy ny talem-paritry ny UNFPA aty amin’ny faritra ilany Atsimo Atsinanan’i Afrika, Lydia Zigomo. Niompana tamin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ka ho betsaka ny asa iarahana eo amin’ny minisitera sy ny UNFPA. […]

Tetikasa mendrika : hahazo vola hatramin’ny 7 500 dolara

Nisokatra tamin’ity volana marsa ity ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana avrily ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo fikambanana maniry ny hisitraka famatsiam-bola avy amin’ny Amerikanina. Avy amin’ny tetikasa “Ambassador’s Special Self-Help” (SSH) no hahafahana manatanteraka izany. Misokatra ho an’ireo ONG na fikambanana na kaoperativa rehetra mijoro ara-dalàna […]