Naresak’olona ny tanàna, omaly ! Hita fa tompon’ny fanentanana mihitsy ny vehivavy tamin’ny toerana rehetra nisy kivorivory sy namoriana azy ireo. Nahoraka ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa manerana ny Nosy. Samy nanao izay ho afany, hatrany amin’ny fokotany faran’izay madinika indrindra. Niavaka ny vakodrazana sy ny fanamiana nitovy. Nahafatifaty izaitsizy […]
Mois : mars 2024
Filoha Rajoelina: “Ampirisihina ho kandidà ny vehivavy”
Mialoha ny fifidianana izao… Tao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, nampirisika ny vehivavy hirotsaka sy harotsa-kofidina ny filoha Rajoelina Andry. “Ho avy izao ny fifidianana solombavambahoaka. Mampirisika anareo vehivavy aho, indrindra ireo antoko politika: raha mbola azo atao ny manolotra sy misafidy ary mifidy vehivavy kandidà […]
TSELATRA
Renim-pianakaviana iray naratra nianjera avy eny ambony taxi-be, omaly maraina, teny Ankadimbahoaka. Handeha hiasa eny amin’ny orinasa afakaba iray eny an-toerana izy, kanjo izao tra-doza izao. Olona tsara sitrapo no nitondra azy namonjy toeram-pitsaboana. Efa nahazo ny fitsabona sahaza azy izy. Mpanendaka iray niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Anosibe tsena, omaly atoandro. […]
Nandritra ny telo taona: tratra ilay rangahibe nanolana ny zanany vavy
Io indray koa! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, teny Anosizato Atsinanana, omaly, ny rangahibe iray 63 taona nanolana ny zanany vavy. Ny mpiara-monina aminy eo Anosizato no nampandre ny polisy momba ny fisian’io rangahibe manao fihetsika feno habibiana amin’ny zanany vavy 18 taona io. Tonga […]
Beraketa: Karandalana nivadika, maro ny naratra
Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny lalam-pirenena RN 13, tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Karandalana iray hihazo an’i Taolagnaro no niharan-doza tampoka teny am-pandehanana. Maro ireo mpandeha naratra saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha ny fanazavan’ny mpamily, araka ny tatitra nampitain’ny zandary, noho […]




