Ankizilahy 13 taona maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao tapaka hisatra, tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Antandrokomby Bemasoandro, afakomaly maraina. Nipotsaka tampoka ny hisatr’ilay kamiao. Nidina fidinana anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ny sarety nentina mpianaka. Tsy afa-niala ilay kamiao nivatravatra intsony ilay zazalahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana […]
Mois : mars 2024
Efa nigadra: dahalo mpamerin-keloka lavon’ny bala
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo raindahiny iray tao Mavozaza, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 2 marsa teo. Nanao fisafoana ny Andrimasom-pokonolona sy ny zandary ka nifanehatra tamin’ny dahalo dimy lahy. Nitondra zava-maranitra ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifandonana. Nikiry hanohitra ireo mpanao fisafoana alina izy dimy lahy. […]
Ambohijanaka: Jiolahy telo maty voatifitry ny zandary
Lavon’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy nikasa hanafika tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny sabotsy alina teo. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo… Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohijanaka ny telo tamin’ireo jiolahy nikononkonona hanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, ny sabotsy tokony […]




