Badminton : nanjakan’ny MB2 All ny fifaninanana

Ho fanomanana ny taom-pilalaovana 2024 sady hanomezana fanazarantena ireo mpilalao badminton, nikarakara “Open”, ny klioba MB2 All. Fihaonana notanterahina ny alatsinain’ny Paka lasa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha.
Nanjakan’ny mpikarakara ny fifaninanana tamin’ity. Lasan’izy ireo avokoa ny fandresena 4 tamin’ireo sokajy 6 niadiana. Anisan’izany ny ni­batan-dRazafimandimby To­kini­rina ny amboara, teo amin’ny «serie A», sokajy lehilahy. Niavaka ihany koa ny fandresen-dRazakasoavina Lalama­hefa, teo amin’ny «serie B», lehilahy ihany. I Soaniaina Tombotsoako kosa no voahosotra ho tompondaka teo amin’ny «serie A» vehivavy. Ho an’ny sokajy zandriny latsaky ny 17 taona zazalahy, voalohany Razakasoavina Irina.
Ny hany tsy azon’ny MB2 All, dia ny teo amin’ny “série C” senior, sokajy lehilahy, lasan’Andrianantenaina An­tho­nio, mpilalaon’ny LCSMI izany. Toy izany koa ny teo amin’ny «série B» senior vehivavy, norombahin-dRasolo­maromihaja Tahirivola, avy amin’ny klioba DDBC. Antony nikarakarana izao fihaonana izao, ny tsy fahampian’ny fifaninanana eo amin’ireo mpilalao, raha ny nambaran’ny Dr Rakotomalala Jean Claude. Tsiahivina fa nisahana ny fikarakarana rehetra ireo mpilalao beazina ao anaty klioba ihany. 50 ny isan’ireo mpilalao nifaninanana tamin’ity ka avy amin’ny klioba 7 eto Analamanga avokoa izy ireo.

Torcelin

Partager sur: