Lomano-Mada 25m : fahombiazana tanteraka no azon-dRabejaona Holy Antsa

Malagasy mpilomano tsy zovina amin’ny maro, Rabejaona Holy Antsa. Nisongadina tanteraka izy, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, 25 metatra, natao farany teo.

Fahombiazana tanteraka no azon-dRabejaona Ho­ly Antsa, nandritra ity fifaninanana natao teny amin’ny dobo filomanosana Anta­nimena ity, ny faran’ny herinandro. Fandresena 100 isan-jato no azony satria, naharesy hatrany izy tamin’ireo fifaninanana enina natrehany. Medaly volamena 6 be izao, araka izany, no niambozonany teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana miisa enina izay nandraisany anjara. Tsy izay ihany, fa mbola norombahan’ny klioba misy azy, Managing Sporting Swimming ihany koa ny anaram-boninahitra, teo amin’ny “relais”.

Nahazo “records nationaux” 3
Ankoatra ireo medaly 8 azony ireo, nahavita nanatsara ny zava-bita tsara indrindra nasionaly 3 be izao ihany koa i Holy Antsa, tamin’ny fifaninanana nataony. Nambarany fa afapo izy tamin’ny vokatra azony. Hita taratra ny ezaka natao ary indrindra ny fiofanana iraisam-pirenena sy ny fifaninanana lehibe natrehany tany ivelany, izay nahafahana nampiakatra ny fahaiza-manaony. “Mahafinaritra foa­na ny milomano eto an-tanindrazana, ny mizara ny zavatra tiana sy mifanampy ary indrindra ny miaina fahafinaretana mandritra ny fifaninanana izay atao eto Madagasikara”, hoy ny nambarany taorian’ny fandraisany anjara tamin’iny fiadiana ny tompondakan’i Ma­da­­gasikara iny. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny dobo filomanosana teny Antanimena, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 metatra. Zava-bita tsara indrindra 7 no montsana nandritra izany, araka ny vokatra.

Mi.Raz

Partager sur: