Rugby sokajy vehivavy : hanomboka ny fifaninanam-pirenena

Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny alahady 7 avrily ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanam-pirenena ho an’ny rugby sokajy D1 vehivavy. Lalao ho an’olona 15 io ho tanterahina io. Araka izany, takin’ny Malagasy Rugby ny hanavaozan’ny mpilalao rehetra handray anjara amin’izany ny kara-pilalaovany. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), hatao eto Madagasikara, ny volana mey ho avy izao, izany.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Rugby Afrique ny fanomezana lanja ny fifaninanana ho an’ny vehivavy, indrindra ny rugby à XV. Tsiahivina fa anisan’ireo efa manana ny toerany eto Afrika, ny Makis Ladies na eo amin’ny rugby lalaovina olona 7 izay vao avy nandrombaka ny medaly volafotsy nandritra ny lalao afrikanina tatsy Ghana, ny volana marsa lasa teo, na eo amin’ny rugby ho an’olona 15.
Firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’ny Can 2024, ny Makis Ladies mpampiantrano, ny Springboks Afrika Atsimo, i Kenya ary ny Liona-n’i Cameroun.

Tompondaka

Partager sur: