SOMBIM-BAOVAO

Tsy niakatra “podium”, ny solontena malagasy, Randafiarison Rosina, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja fibatana fonjamby, atao any Thaïlande. Laharana faha-16 izy rehefa nahavita nibata 172 kilao teo amin’ny “Total Olympique” (77kg arraché, 95kg épaulé jeté).
Tontosa, ny talata 2 avrily lasa teo ny fiofanana “Young Coach”, tany Taolagnaro, ligim-paritra Basikety Anôsy, izay nanomboka ny alakamisy 28 marsa teo. Mpiofana 15 mianadahy, ka vehivavy ny 4 tamin’izy ireo, no tonga niatrika ity fiofanana ity ka nahazo ny mari-pankasitrahana.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Bodybulding. Mpikatroka maherin’ny 40 no nandray anjara nandritra izany, nahitana ny sokajy “miss bikini”, “men’s Physique”, “classic physique” ary ny “Bodybulding”.
Hatao ny 27 sy 28 avrily izao, ao amin’ny kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny “Grand Open de Mada”, taranja Jiu-jitsu Breziliana, Gi sy No Gi. Ahitana sokajy telo izany dia ny ankizy, ny lehibe ary ny Master, mandritra ity fifaninanana ity. Misokatra ny fisoratana anarana.

Partager sur: