Ankoay 3×3 : vonona ny haka ny tapakilan’ny JO

Ekipa malagasy anisan’ny andrandraina handray anjara amin’ny lalao olympika hatao any Paris, ny Ankoay 3×3, ta­ranja basikety. Mbola hiatrika fifaninanana hahazoana ny tapakila amin’izany anefa izy ireo. Manoloana izany, manoman-tena mafy ireo mpilalao. Nanomboka ny herinandro lasa teo, nikotrana teny Imerinkasinina ny Ankoay. Niara-nilalao sy nanao fanazaran-tena teny 67ha izy ireo. Nampiavaka ny kotrana nataon’ny Ankoay, ny fahatongavan’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, niaraka nikotrana tamin’izy ireo teny Imerinkasinina. Nam­piseho ity filoha ity fa vonona hanohana azy ireo. Tsiahivina fa ny 16 hatramin’ny 19 mey izao no hiatrika ity fifaninanana fifanintsanana amin’ny lalao olympika ity, any Debrecen Hongrie, ny Ankoay. Nambaran’ireo mpilalao fa na dia mbola mafy aza ny lalao hatrehan’izy ireo, fotoana hanaporofoana ny maha sangany an’i Madagasikara eto Afrika, eo amin’ny taranja basikety 3×3 izao. Vonona, araka izany, izy ireo ny hitady fandresena amin’ny lalao rehetra hatrehana any Hongrie ny volana mey izao.

Mi.Raz

Partager sur: