SOMBIM-BAOVAO

Efa tafita any amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Nahazo fandresena dimy sy faharesena tokana izy ireo nandritra ny lalao enina nataony. Tsiahivina fa ny Fosa Junior no tompondaka farany tamin’ny taona 2023 teo.

Hifanandrina rahampitso, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga,taranja Volley-ball, eo
amin’ny sokajy “1ére division” vehivavy, ny Squad 1 sy ny Squad 2 ary ny Bi’As sy ny ASI 2. Hiditra amin’ny andro faha-12 ny fifaninanana.

Hatao ny 22 hatramin’ny 28 avrily izao, ny fampiofanana ireo mpanazatra eo anivon’ny ligin’Anala­manga, taranja basikety. Misokatra hatramin’ny 15 avrily ny fisoratana anarana ho an’izay liana ny hanatrika izany fampiofanana izany.

Hotanterahina manomboka anio ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions (LDC)”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Real Madrid, Espagne sy ny Manchester City, Anglisy. Fifanandrinana izay hatao ao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu, Espagne.

Partager sur: