Tennis Foundation Ghana J30 : tompondaka teo amin’ny vehivavy i Miotisoa

Nanakoako tatsy Afrika indray ny taranja tenisy ma­lagasy, ny sabotsy lasa teo. Lasan-dRasendra Miotisoa ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny Tennis Foundation Ghana J30, ho an’olon-tokana, vehivavy. Fihaonana notanterahina tao Accra. Resiny teo amin’ny famaranana ilay anglisy, i Tara Lawal. Seta 2 no ho 1 (6 (5) / 7 ; 6/:4 ; 6/:1) no nahazoan’i Miotisoa ny fandresena.
Niady ny fihaonan’izy mi­rahavavy teo amin’ireo seta roa. Lasan’i Lawal ny voalohany taorian’ny tie-break. Nifan­dimbiasana kosa ny fahazoana ny “jeu” teo amin’ny seta faharoa saingy naneho fahavononana handresy i Miotisoa ka lasany izany. Sahala 1 sy 1 teo ny seta azon’izy mirahavavy. Voatery niditra teo amin’ny seta fahatelo, hahalalana izay ho tompondaka. Tsy niady intsony anefa ny lalao satria nitaky ny havizanana ho an’ilay anglisy. Tsy nataon’i Miotisoa, nisotro rano mihitsy satria tsy nahazo afa-tsy “jeu” iray monja.
Tsiahivina fa resy teo amin’ny famaranana i Miotisoa, ho an’olon-droa miaraka, niarahany tamin’ilay Ganeanina, i Tomegah. Resin’ilay britanika, i Ndukwu sy ilay Meksikianina, i Rodriguez-Rizo, tamin’ny seta 2 no ho 0 izy mirahavavy. Tsy mijanona eo fa mbola mitohy ny fifaninanana ho an’i Miotisoa, izay nanambara fa vonona hatrany hitondra avo ny anaran’i Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: