Tsipy kanetibe – « Coupe de Madagascar » : nanao pao-droa ny UBM Ambohitrimanjaka

Ny ekipan’Ambohitrimanjaka, Union des boulistes Manjaka (UBM) no nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, lahy sy vavy, izay natao tany Antsirabe, ny 5 – 7 avrily lasa teo. Solontenan’ny ekipa nasionaly malagasy any Maroc ny UBM.

Nifarana teny amin’ny Avenue de la Gare Antsi­rabe, afakomaly, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Norombahin’ny klioban’Ambohitrimanjaka, Union des boulistes Manjaka (UBM) ny amboara teo amin’ny sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, lavon-dry Hery sy Donald ary Jeannie, mpilalaon’ny UBM, tamin’ny isa 13 no ho 0, ry Ramires sy Balotti ary Havana, solonte­nan’ny Amical boulistes Mandrosoa Ivato (Abmi). Teo amin’ny vehivavy, resin-dry Felana sy Fenitra ary Tahiana, UBM, tamin’ny moka foy, 13 no ho 12, ry Hanitra, Harisoa, Judicaëlle, solontenan’ny Bic Ambohimahasoa.
Araka izany, ny mpilalaon’ Ambohitrimanjaka no solontenan’i Madagasikara mandritra ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, izay hatao any Maroc, ny volana jona ho avy izao. Tsara marihina fa raha miala ny sazin’i Madagasikara vao afaka mandray anjara amin’io fifaninanana afrikanina io ny ekipa malagasy.
Ankoatra izay, nalain-dry Daniel sy Léon ary Solo, Bic, ny teo amin’ny sokajy zokiny “vé­térans”. Azon’ny klioban’ny Pé­tanque club Ampitatafika (Pac), misy an-dry Fiaritsoa sy Elio ary Jo, ny sokajy zandriny “junior”.

Fitia Randria

Partager sur: