Baolina kitra: miandry ny fankatoavan’ny CAF ny kianja Barea Mahamasina

Eo am-piandrasana ny valin’ny fitsirihana nataon’ny iraky ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny baolina kitra (CAF) ny kianjaben’i Mahamasina ny Federasiona malagasy (FMF). Madagasikara izay hampiantrano an’i Comores sy i Mali, ny volana jona ho avy izao.

Tontosa ny zoma 5 avrily lasa teo, ny fitsirihana ny kianjaben’i Mahamasina nataon’i Josua Andries Hoebeb, «Inspecteur» sady iraka manokan’ny Kaonfede­ra­siona Afrikanin’ny baolina kitra (CAF). Sarotiny ary tena hentitra tamin’ny fidinana ifotony nataony i Josua Andries, ka tsy nisy afaka niditra tao an-kianja ny mpanao gazety sy ny mpikambana teo ani­von’ny federasiona FMF.
Ny sekretera jeneraly lefitra ao amin’ny FMF, Sarindra Randrianasolo, sy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kianja Barea Mahamasina ihany no olona afaka niaraka taminy nanatontosa izany. Nojereny avokoa ny pitsompitsony rehetra tao amin’io fotodrafitrasa io, na tao anatiny na ny teny ivelany. Ankoatra ny bozaka, teo koa ny kianja annexe, ny gradin sy ny seza, ny tribune, ireo efitrano isan-tokony, toy ny vestiaire, ny an’ny mpitsara, ny efitra fidiovana. Ankoatra izay, nasiany maso koa ny jiro manazava ny kianja, ny fefy anatiny sy ivelan’ny kianja. Teo koa ireo vavahady fidirana rehetra.
Taorian’ny fitsirihany ny kianjaben’i Mahamasina, nihaona tamin’ny filohan’ny federasiona ny tenany saingy tsy nisy nipika ny resaka nifanaovan’izy ireo. Nandao an’i Madagasikara ny sabotsy lasa teo, ity inspecteur-n’ny CAF ity. Hanao ny tatitra momba ny diany teto izy, izay hiandrasana fankatoavana amin’ny hahazoan’io fotodrafitrasa io mandray na tsia ireo fihaonana iraisam-pirenena miandry ny Barea de Madagascar. Tsiahivina fa ny volana jona no handray ny Coelacanthes-n’i Comores sy ny Aigle de Mali ny Barea, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”.

Tompondaka

Partager sur: