LALAO iraisam-pirenena : miandry ny minisitera ny atleta

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny lalao olympika amin’izao ny atleta malagasy voakasik’izany. Misy ireo mbola mila miatrika fifaninanana iraisam-pirenena maromaro vao afaka hahazo ny tapakila ho amin’izany. Ho an’ny taranja Judo manokana, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny 24 avrily izao, ireo judokas malagasy, anisan’ izany, Rasoanaivo Razafy Laura. Tsy misy resaka hatreto ny fangatahana nataon’izy ireo teny anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena kanefa efa hifarana ny fisoratana anarana. Tsiahivina fa manana toerana tsara hiatrehany ny lalao olympika i Laura, izay eo amin’ny laharana faha-37 ary manana isa 1067. Misedra ity olana amin’ny fandehanana any ivelany hiatrika fifaninanana ity ihany koa ny taranja lomano. Mbola miandry izay fandraisana andraikitra ataon’ny minisitera. Tokony hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, amin’ny faran’ity volana ity, Raharvel Jonathan sy Rabejaona Holy Antsa saingy mbola baraingo hatreto ny hoenti-manana.

Mi.Raz

Partager sur: