SOMBIM-BAOVAO

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha, ny fifaninanana “All Step” natokana ho an’ny Lycée, karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety. Nitohy ihany koa ny lalao nihaonan’ny LMA sy ny SFXA, vehivavy, ary ny LMA sy ny LAA, lehilahy.

Miatrika fiofanana sy fanazaran-tena matihanina any Budapest, amin’izao fotoana, ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura. Mpikatroka avolenta maneran-tany 500 mahery no miaraka misitraka aminy ity “training camp” ity.

Nitohy omaly alarobia 10 avrily, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fanazaran-tenan’ny Ankoay QQT 3X3 Senior sy ny ACNOA 3×3 U18 lahy sy vavy. Ho fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao ny volana mey izao no anton’izany.

Hitety faritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley-ball amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Any Mahajanga no hisantarana izany, ho an’ny sokajy U16, ny 13 hatramin’ny 16 jolay izao. Hitohy any Toamasina kosa, ho an’ny sokajy U18, ny 1 hatramin’ny 6 aogositra.

Partager sur: