Lomano : nandrombaka medaly efatra i Tendrinavalona Idealy

Tsy mitsahatra ny mivoatra ny Malagasy mpilomano, i Ten­drinavalona Idealy, any Thaï­lande, ao anatin’ny fisitrahany ny vatsim-pianarana ta­ranja lomano, mandritra ny herintaona. Ankoatra ny fiofanana amin’ny endriny maro, miatrika fifaninanana matetika ihany koa izy any an-toerana. Fifanina­nana natrehany, ny alarobia lasa teo, ny “Thaï­lande national” ho an’ny dobo filomanosana 50 metatra. Vokatra tena tsara sy nahafa-po no azony nandritra izany. Medaly volamena 1, volafotsy 1 ary alimo 2 no norombahany. Nahavita na­namontsana ny “Record de Madagascar” ihany koa i Tendry, teo amin’ny 200m dos sy 100 m dos. Nahavita ny 200m tamin’ny fe-potoana 2.26.12 s izy, raha toa ka 2.28.13 ny zava-bita tsara indrindra nasionaly farany. Teo amin’ny 100 m kosa, vitany tao anatin’ny fe-potoana 1.07.06 s izany, raha toa ka 1.07.45s izany teo aloha. Fe-potoana tsara indrindra 6 ihany koa no vitan’i Tendrina­valona Idealy nandritra ity fifaninanana ity. Tsy vao izao fa efa nisy ihany koa ny fifaninanana lehibe natrehany tany Thaïlande, ka nahazoany me­daly volamena. Tsapan’i Tendry ny fivoarany, tao anatin’izany volana vitsi­vitsy niatrehany ny fiofanana any Thaï­lan­de izay. Namba­rany fa hi­tondra fahombiazana eo ami­ny, amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena izay rehetra rantoviny any an-toerana. Hijery izay lesoka mbola mila harenina izy ary hanatsara izany amin’ny fifaninanana mbola handraisany anjara.

Mi.Raz

Partager sur: