Rugby vehivavy : hanatevina ny Makis Ladies i Sorin

Hanao izay fara heriny ny Makis Ladies handrombahana ny fandresena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), eo amin’ny rugby lalaovina olona 15. Ankoatra ireo mpilalao eto an-toerana, ho avy i Jeanne Sorin, mpilalaon’ny Racing 92.

Mitohy hatrany ny fanomanantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), taranja rugby lalaovina olona 15. Fihaonana hotanterahina eto Madagasikara, ny 4 ka ha­tramin’ny 12 mey ho avy izao. Fantatra fa anisan’ireo hanatevin-daharana ny Makis Ladies, i Jeanne Sorin. Tsy zoviana amin’ny mpankafy lavalava intsony ny tovovavy satria efa niaraka tamin’ireo mpilalaon’ny Makis, tamin’ny taon-dasa. Toerana roa no misy azy dia ny “pilier” sy ny “3è ligne”. Manana safidy tsara izany ny mpanazatra amin’izay mety hametrahana azy eny ambony kianja. Tsia­hivina fa milalao ao amin’ny Racing 92 i Jeanne Sorin.
Miditra ao anatin’ny paikady fanafainganana ny lalao eny ambony kianja ny fanazarantenan’ny Makis, amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fanaovana fifaninanana kely mialoha ny tena izy. Hatreto, mbola 30 ireo mpilalao voatazona ary manaraka ny fanazarantena. Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka ny 24 avrily ho avy izao, ny anaran’ireo 25 mirahavavy hiatrika ny Can 2024, ary manomboka eo no mihidy tsy mody intsony izy ireo, mandra-pahavita ny fifaninanana.
Raha tsiahivina, hidona voalohany amin’ny Makis i Kenya, ny alahady 4 mey. Hi­fanandrina amin’i Came­roun, ny alarobia 8 mey, ary hifampitana amin’i Afrika Atsimo, ny alahady 12 mey. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2025”, izay ekipa roa voalohany amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity.
Noho ny fisian’ity Can 2024 ity, miato aloha ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­­gasikara “Top 12”. Tsy hiverina izany raha tsy ny alahady 19 mey 2024.

Tompondaka

Partager sur: