SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro izao ireo ekipa valo hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League ». Ny ekipan’ny Asa Diana sy ny Fosa Junior ary ny Disciples FC, izay efa tafita no hiatrika izany. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Fosa Junior no tompondaka farany, tamin’ity fifaninanana ity.
Notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fampiofanana sy ny fampahafantarana ireo mpilalaon’ny Makis lahy sy vavy, sokajy U18. Hetsika izay nokarakarain’ny Malagasy Rugby. Natao hanomanana ny fifaninanana “AROI 2024” izany fiofananana izany.
Hotontosaina manomboka anio, eny Ambo­himangakely, ny fifaninanana “Open de Petan­que”, andiany faharoa izay karakarain’ny Ligin’Anala­manga. Lelavola 1 tapitrisa sy 8 hetsy Ariary no omena izay ekipa tompondaka amin’ny sokajy “triplette” lehilahy. Tsara ny mampahafantatra fa amin’ny 1 ora no manomboka ny lalaon’ny “senior” lehilahy.
Afaka roa andro, hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) » indray ny mpakafy baolina kitra rehetra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Paris Saint Germain, Frantsay, sy ny FC Barcelone, Espagne.

Partager sur: