Taekwondo : ho avy eto Antananarivo ny Me Sicard

Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD), ho tonga eto Antananarivo ny Maître Olivier Sicard, teratany Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mpikatroka taekwondo 7ème dan. Hizara traikefa ho an’ireo Malagasy mpikatroka izy ny 16 sy ny 17 avrily ho avy izao, eny amin’ny ANS Ampefiloha. Tsiahivina fa efa nanomana sy nizara ny fahaizany tany amin’ny
faritr’i Vakinankaratra sy Mahajanga tany ny tenany teo aloha teo.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hatao amin’io andro io ihany koa, eny Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny FMTKD. Tsiahivina fa tsy mbola fantatra ny isan’ireo ligy hifidy amin’io fotoana io ary tsy mbola mitsangana ny vaomiera misahana ny fifidianana CENI. Tsara ny mampahatsiahy fa miisa sivy ny isan’ny ligy mandrafitra ny federasiona. Anisan’ izany Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Betsiboka, Boeny, Atsimo Andrefana ary Alaotra Mangoro.

Fitia Randria

Partager sur: