Kolektifa ho an’ny Malagasy: “Hiainga eny amin’ny Antenimiera ny fanovana”

Nihaona tamin’ny solontenan’ny vahoakan’Avaran­dra­no, teny Ambohimanambola, ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy. “Hiainga eny amin’ny Antenimierampire­ne­na ny fanovana tiantsika ha­tao”, hoy ny kandidàn’ny Kolektifa, Andrianainarivelo Hajo, teny Ambohimanam­bola. Nanteriny fa hanao lalàna iarovana ny tombontsoan’ ny besinimaro izy ireo. An­ja­ran’ny depiote koa ny manara-maso ny asan’ny governemanta na nahavita na tsia na hoesorina na koa alana ny filohan’ny Repoblika. “Mana­na adi­dy ny depiote amin’izany hanapa-kevitra. Zava-dehibe ny fahafantaran’ny depiote ny asa aman’andraikiny fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny ihany”, hoy izy. Nambaran’ny lisitra faharoa, Ratavilahy An­dry, kosa fa miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny depiote. Mahay sy mahafehy ny asany ka ilaina ny fahaizana mifidy, tsy hanaiky horebirebena intsony. Nanterin’izy ireo koa fa tsy atao ambanin-javatra ny fahasahiranam-ba­ho­aka ary tsy afa-miala amin’izany ny depiote. Tsy maintsy miady amin’izany, araka ny nambarany. “Azo atao ny mampiasa ny volam-panjakana any amin’ny tena hetahetam-bahoaka mba hampandrosoana ny firenena ary mahavaly ny hetahetantsika izany”, hoy izy. Araraotin’olo­na isika anaty fahantrana, amin’ny alalan’ny rendrarendram-pifidianana, araka ny nambarany. Efa namitaka ny sasany amin’ireo teo aloha ireo ary miverina mirotsaka ka tokony ho felahana tehamaina. Nam­baran’ny depiote amperinasa, Andriambelosoa Naina, kosa fa anisan’ny mi­baiko azy ireo ka tsy nirotsahany intsony eny Avara­drano ny fanajana ny rafitra sy ny fandaminana. Eo koa ny tombontsoa ambonin’ ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: