Famonoana an’i Raissa kely : Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny renibeny

Nivoaka ny didy ho an’ilay renibe namono nahafaty ny zafikeliny, i Raissa. Tranga niseho tetsy amin’ny IVO Antohomadinika, ny 11 mey 2026. Voaheloka higadra mandra-pahafatiny izy.

Niakatra tetsy anivon’ny fitsarana ady heloka bevava, Anosy, omaly, ny raharaha famonoana an’i Raissa, zazavavikely 8 taona. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana teny Antoho­madinika izy, ny 11 mey 2025 lasa teo. Olona fito, izay mpihavana avokoa, no voam­panga sy nohenoin’ny mpi­tsara. Nanomboka tamin’ny 1 ora sy sasany atoandro ny fotoam-pitsarana. Natao tao amin’ny efitrano fahefatra izany. Naharitra adiny telo sy sasany ny fifandaharana.
Nanda ny fiampangana azy avokoa ny voampanga rehetra rehefa nanontanian’ny mpitsara. Taorian’ny fitsarana, voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny reniben’ilay zaza maty. Voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina kosa i Sarobidy, anadahiny, zanak’ olo-mpiray tampo amin’ny maty. Nampiantrano an’ilay jiolahy namono no antony iampangana azy ireo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ ny mpisolovava. Nambarany fa mbola tsy fantatra mazava ilay namono hatramin’izao. Nohafahana noho ny fisalasalana avokoa ny ambiny.

Fahafahana vonjimaika
Nitaky ny famoahana vonjimaika an’ilay reniben’ny maty ny mpisolovava azy, nandritra ny fitsarana. Nam­barany fa tsy nisy porofo ny fiampangana noho ny filazan’ny mpitory fa niantso lava tamin’ny finday ity farany. Nanamafy kosa ny renin’i Raissa fa hita tao amin’ny tranon’ny voampanga ny akanjo nihoson-dra sy ny fantsona mihoson-drà izay namonoana ny zanany.
Nandritra ny fotoana nihainoana an’ilay zatovolahy voaheloka no nahafantarana fa nilaza tamin’ny zokin’ny maty izy hoe: hitantsika eo izany ialahy tsy mitomany izany. Teny nataony nandritra ny fikarohana an’i Raissa teny Antohomadinika. Tsiahivina fa tsy hita popoka i Raissa ny 10 mey 2025. Hita tao anaty gony, tsy lavitra ny tranony, ny vatana mangatsiakany ny ampitson’io. Nisy taratasy nilaza fa: “vita izay ny valifaty fa mbola misy olona roa ho vonoinay”.

Mino

Partager sur: