3FB Toliara sy Mama FC: natsahatra ny lalao

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahafito, fifaninanam-pirenena, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Nisy ny lalao natsahatra noho ny fikasihan-tanana nataona mpijery iray tamin’ny mpitsara, teny Vonto­vo­rona, nandritra ny fifanandrinan’ny 3FB Toliara sy ny Mama FC.
Araka ny loharanom-baovao iray, najanona teo amin’ny minitra faha-35, fizaram-potoana voalohany, izany. Raha hiverenana ny fihaonana, mbola ady sahala tsy nisy nitoko (0 no ho 0) ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsy afapo tamin’ny fitantanan’ny mpitsara ny lalao teny an-kianja ny mpijery sasany ka nisy tovolahy iray nilatsaka teny an-kianja nidaroka azy. “Mangataka ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny lehiben’ny CFEM izahay mba hijery akaiky ny zava-nisy teny an-toerana ary handray fepetra mahakasika izany”, hoy ny loharanom-baovao iray, teny an-toerana. Andrasana izay fanapahan-kevitra horaisin’ny FMF sy ny filohan’ny CFEM, mahakasika izany.

F.R

Partager sur: