Fiombonana : “Mailo fa misy fitaka ao “

“Fomba fanaon’ny mpanao politika izy io. Amin’ny maha fomba fanaony azy izay: rehefa miala ireo minisitra ireo, tsy ireo no hisolovava ny vahoaka eo anivon’ny Antenimiera raha ny hita eo amin’ny tantara”. Izay ny fijerin’ny sekretera jeneralin’ny Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fisisi­han’ny minisitra mirotsaka ho depiote. Hiverina ho minisitra izy ireo, ary ny iray lisitra aminy no miakatra ho depiote. Manen­­tana ny rehetra izy, sao manantena ireo minisitra alahatry ny fitondrana amin’izao ho depiote. Mila jerena hoe: iza no ao anatin’ny lisitra miaraka amin’ireo minisitra kandidà?
“Famitaham-bahoaka amin’ny endrika hafa izany”, hoy izy. Satria ry zareo no hanao fampielezan-kevitra, hampanantena sy hizara zavatra amin’ny vahoaka. Nefa rehefa voafidy izy ireo, tsy hisolotena ny vahoaka fa hafa no ho depiote. Maro ireo manara-dia ny fitondrana. Vitsy anefa ireo manana fahaiza-manao ka mahatonga ny mpitondra sahirana amin’ny fitadiavana depiote azo antoka fa ho voafidy.

R. Nd.

Partager sur: