SOMBIM-BAOVAO

Miatrika ny fifaninanana afrikanina ITF/CAT U16 izay hatao any Alger, renivohitr’i Algerie, i Mitia Voavy Andraina, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Raha ny fantatra, nianto-tena ity Malagasy atleta ity. Tsara ny mampahafantatra fa mety hanarina ny lesoka hita nan­dritra ny lalao Afrikanina natao tany Accra Ghana i Mitia Voavy amin’ity fifanintsanana ity.

Hotanterahina any Miandrivazo manomboka ny 27 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao ny fifaninanana rejionaly N1B ho an’ny mpilalao U20, taranja basikety. Fifanintsanana izay karakarain’ny ligin’i Menabe. Tsiahi­vina fa ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), manana tanjona amin’ny famolavolana ireo tanora ho tonga matihanina amin’ny basikety.

Voahosotra ho tompondakan’i Allemagne, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny Bayer Leverkusen. Sambany teo amin’ity klioba ity no nahazo ny tompon­dakan’ny Bundes Liga, fifaninanana nasionaly any Alle­magne. Tsiahivina fa tsy mbola resy mihitsy ny Bayer Leverkusen nandritra ny lalao rehetra nataony.

Hotontasaina anio ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra. Fihaonana roa no hotanterahina amin’io fotoana io. Anisan’izany ny fifanandrinan’ny Dortmund FC Allemagne sy ny Atletico Madrid Espagne. Eo ihany koa, ny an’ny Barcelone Espagne sy ny Paris Saint Germain France.

Partager sur: