Taekwondo: hofantatra anio ny ho filohan’ny federasiona

Hotanterahina anio, eny Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny taekwondo (FMTKD). Miisa roa ireo kandidà hofidina amin’izany. Anisany ny filohan’ ny FMTKD teo aloha, Rama­nantsoa Christian, sy ny lehiben’ny ligin’Analamanga teo aloha, Rakotomanana Franck Tiana.
Tsiahivina fa amin’io fo­toana io vao hijoro ny vaomiera mikarakara ny fifidianana (Ceni). Tsara ny mampahafantatra fa miisa sivy ireo ligy to­kony hifidy. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Am­bony, Vatovavy sy Fitovinany, Betsiboka, Boeny, Atsimo An­drefana ary Alaotra Mangoro.
Ankoatra izay, ho tonga eto Antananarivo, anio, ny Maître Olivier Sicard, teratany mala­gasy mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mpikatroka taekwondo 7ème dan, eny amin’ny kianjan’ny ANS Ampefiloha.
Hizara traikefa ho an’ireo Malagasy mpikatroka izy hatramin’ny rahampitso. Efa nanomana sy nizara ny fahaizany tany amin’ny faritr’i Vaki­nankaratra sy Mahajanga tany ny tenany teo aloha.

Fitia Randria

Partager sur: