Fampandrosoana eny ifotony : miantso fifanomezan-tanana ny Fizalaotra

Miantso ny mpikambana sy ny zanaky ny faritra ary ireo tsara sitrapo, hifanohana sy hifanome tanana ny Fikamba­nan’ny zanak’Alaotra (Fizalao­tra). “Ndao isika hiara-hijery va­haolana entina miatrika ny olana maro samihafa aty, mba hisian’ny tena fampandrosoana mirindra sy hisitrahan’ny rehetra izany”, hoy ny filohany, Andriamahafaly Zaka, omaly. Nambarany fa misedra olana iny faritra iny. Anisan’ iza­ny ny fiovaovan’ny toetr’andro ka mi­antraika amin’ny voka-bary. Tototry ny atsanga ny tanimbary noho ny fahasimban’ny tontolo iainana ka mampihena ny velaran-tany azo volena sy tsy ahafahana mampitombo ny vo­katra. “Tsy ho sompitr’i Mada­gasikara amin’ny vary intsony ny faritra Alaotra”, hoy izy. Mi­tombo koa ny tsindry mianjady amin’ireo valanjavaboary arovana, toy ny Zahamena, ka mampananontanona ny faharipahan’ny ala sy ny harena samihafa ao aminy.
Ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro, toy ny lalana ka mampananosarotra ny fifamezivezen’ny mponina amin’ireo kaominina amin’ny distrika telo, ahitana an’ Ambatondra­zaka sy Amparafaravola ary Andilamena.
Tsiahivina fa mankalaza ny faha-45 taonany ny Fiza­laotra amin’ity taona ity. Ho­ma­rihina amin’ny hetsika sa­mihafa eto Antananarivo sy any amin’ireo distrika telo izany. Hosokafana ny sabotsy 20 avrily izao, eny Ivato, ma­nomboka amin’ny 10 ora ma­raina. Arahin’ny fitsangatsanganana eny Ambohimalaza (Frère Capucin RN2), ny 8 jona. Eo koa ny fifanakalozana miaraka amin’ny fehin-kevitra amin’ny handraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny sosialy sy toekarena any an-toerana.

Synèse R.

Partager sur: