Filankevitry ny minisitra any Toamasina: novahana ny olan’ny vahoaka eny ifotony

Notanterahina voalohany any Toamasina amin’izao fe-potoam-piasana faharoa ho an’ny filohan’ny Repoblika izao ny filankevitry ny minisitra any amin’ny faritra. Voaresaka nandritra izany ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny tanànan’i Toamasina. Eo koa ny fijerena ny filan’ny vahoaka sy ny olany ary ny hetahetany. “Efa misy drafitra ahafahana manafaingana ny asa mba hahafahan’ny mponina miaina araka ny tokony ho izy. Tanàna mirindra izany satria tena betsaka loatra ny fanorenana tsy ara-dalàna eto”, hoy ny filoha.
Manampy izany, ny mom­ba ireo fotodrafitrasa samihafa ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana ao. Anisan’izany ny fanitarana ny “Canal de Pan­galane”. Nambaran’ny fi­lo­ha fa afaka hifamezivezy ny lakana sy ny sambo rehefa voakarakara izany. Eo koa ny fifehezana ny rano. Ny lalana “Boulevard Ratsimilaho” na ny “Voix rapide” kosa, efa mandeha ny fanamboarana ary hafainganina izany, izay hampitohy ny seranan-tsabo sy ny RN2. Hanalana ny olan’ny fifamoivoizana no antony, araka ny nambarany. Eo koa ny hamahana ny haratsian’ny RN2 amin’izao fotoana izao.
Manampy ireo ny momba ny tetikasa “Miray hina ary mifankatia – Miami” na ilay toe­rana fialamboly sy fitaizam-batana ary natao ialana sasatra ao Toamasina. Hampa­ha­fantarina tsy ho ela ny fotoana hanokafana izany ho an’ny mponina. Nomen’ny filoha fe-potoana avokoa ireo tomponandraikitra amin’ny hamitana ireo asa rehetra ireo.
Tsiahivina fa miisa dimy ireo minisitra miara-dia amin’ny filoha amin’izao fitsidihany ny any an-toerana izao. Tsy anisany kosa ireo minisitra efa kandidà hofidiana ho solombavambahoaka.

Synèse R. sy Lin iraka manokana any Toamasina.

Partager sur: