Governemanta Ntsay Christian: Minisitra fito nametra-pialana

Voatery nametra-pialana ny minisitra fito avy ao anatin’ny governemantan’i Ntsay Christian. Kandidà depiote izy ireo. Efa samy any ifotony manomana ny fampielezan-kevitra.

Nivoaka halina nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tany Toamasina, omaly, ny didim-panjakana laharana faha-2024-959. Manova ny andininy sasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2024-020 tamin’ny 14 janoary 2024, nanendry mpikambana ao amin’ny governemanta izany. Manamafy ny fametraham-pialan’ireo minisitra kandidà miisa fito ihany koa. Efa voatendry, omaly, ny ho minisitra mpisolo toerana, izay mpikambana anatin’ny governemanta ihany. Ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina no misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny Atitaty, Tokely Justin, kandidà any Sambava. Ny minisitry ny Rano sy fidiovana ary ny fanadiovana, Ravokatra Findi­nia­vo kosa no miandraikitra ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony  sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Dr Razafiari­son Andriamanantena. Mitazona ny toeran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sa­hondra­ri­­ma­lala Marie Michel­le, kandidà ao Fianarantsoa I, kosa ny minisitry ny Faha­salamana, Randriamanantany Zely. Ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana, Razak­a­boana Hanitra Fitiavana, no mitantana vonjimaina ny minisiteran’ny Fampianarana Tek­nika sy ny fampiofanana arakasa, nosahanin-dRakoton­dra­zafy Lalatiana, kandidà ao Faratsiho. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafara­vavi­tafita Rasata no misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny Serasera sy ny Kolon­tsaina, Andriamananoro Augustin, kandidà ao amin’ny boriborintany voalohany. Ny minisitry ny Fitaterana sy ny fizahana ny toetry ny andro no mitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena nilaozan’i André Resampa. Ny minisitry ny Fitsarana no miantoka ny fampandehanana ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina nosahanin’i Fomendraza Haingo Elisette, kandidà ao Ambositra.
Voalaza fa ho fanohizana ny fampandehanana ny raharaham-panjakana dia natao avy hatrany ny fanendrena azy ireo. Mila miasa maika amin’ny fanatanterahana ny politika ankapobeny rahateo ny fanjakana.

Fanovana
Ankoatra ny fanamboarana ny mpikambana amin’ny governemanta, misy koa ny fanesorana governora izay lasa kandidà. Toraka izany, ny fanapahan-kevitra maromaro izay mahakasika ny asa maika sy ny asa fampandrosoana isam-paritra.
Hitohy anio sy hatramin’ny faran’ny herinandro ny fitsidihana ataon’ny filohan’ny Repoblika any amin’ny faritra Atsina­nana sy Analanjirofo.

Lin sy Sajo (Iraka any Toamasina)

Partager sur: