Prefet an’i Toliara : laharam-pahamehana ny fandriampahalemana

Nametraka fanamby. Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Prefet teo aloha misahana an’i Toliara, Solondraza Arson Lydor André sy ny Prefet vaovao, Ratovelo Thierry Aubin. Tanjon’ny mpitantana vaovao eo anivon’ny prefektiora ny fametrahana fandriampahalemana mialoha sy ny aorian’ ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany koa anefa ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, mifanaraka amin’ny veliranon’ny filohan’ny Repoblika. Tsy vitan’izany, misy koa ny asa miandry ary tena zava-dehibe. “Anisan’ny ataontsika laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny laoniny indray ny fandriampahalemana amin’ireo distrika tsy nilamina teo aloha”, hoy izy tamin’ny lahateny nifandimbiasana.
Tsiahivina fa vao notendrena tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra vao tsy ela akory ny Prefet vaovao, Ratovelo Thierry ary izao nandray ny asany izao avy hatrany.
Anisan’ny nanatrika izany lanonana tsotra izany ireo lehiben’ny distrika rehetra sy ny mpiasan’ny prefekitiora any an-toerana.

CMS sy Synèse R.

Partager sur: