Pureplay football league (PFL): nosazian’ny CFEM ny Mama FC sy ny 3FB Toliara

Herinandro taorian’ny fisian’ny gidragidra teo amin’ny lalaon’ny Mama FC sy ny 3FB, namoaka fanapahan-kevitra ny Club du football Elite de Madagascar (CFEM). Sazy henjana no azon’ny roa tonta.

Nivory teny Mahamasina, ny talata lasa teo, ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), sy ireo fi­lohan’ny klioba efatra ao amin’ ny kaonferansy avaratra, ny Ajesaia, KFCA sy Asa Diana ary ny Fosa Jr. Nomena sazy henjana ny Mama FC sy ny 3FB Toliara, noho ny gidragidra niseho teo amin’ny fihaonan’izy ireo, ny alahady 14 avrily lasa teo, teny Imerin­tsia­tosika nandritra ny andro faha-7 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Pure­play football league (PFL). Nambaran-dRakotoarima­nana Henintsoa (Tôta), filohan’ ny CFEM fa nankatoavina ny lalao ka nomena fandresena
3 no ho 0 ny Mama FC. Saziana handoa honitra 2 tapitrisa Ar nefa izy ireo noho ny goragora teo amin’ny fikarakarana ka nisian’ny korontana. Nandrai­sana fepetra manokana ny 3FB ka hatao eto Antanana­rivo ary tsy asiana mpijery ny lalaony amin’ny “Play-off”, manomboka ny 28 avrily ho avy izao, izay karakarain’ny CFEM. Horaisin’izay mpifanandriny aminy ny fihaonana miverina ary afaka hatrehina. Raha tsy manaiky ny hilalao eto Antananarivo ry zalahy, miakatra amin’ny dingana manaraka ny mpifanandrina aminy. Tsy mahazo manao io dingana io ny 3FB raha tsy voaefa ny ambin-tsazy tamin’ny taon-dasa, mitentina 5 tapitrisa Ar. Havarina D2 raha mbola misy ny savorovoro ataony.
Tsy afaka miatrika ny “Play-off” koa ny Tsaramandroso Formation raha tsy mahaloa ny 8 tapitrisa Ar. Tafita avy ha­trany ny mpifanandrina aminy raha miseho izay tranga izay. Efatra andro mialoha ny fa­nombohan’ny fifaninanana, ny fe-potoana handoavan’ireo ekipa ireo izany. Farany, mi-tory eny anivon’ny fitsarana ady heloka tsotra ilay mpitsara voakasi-tanana.

Tompondaka

Partager sur: