SOMBIM-BAOVAO

Tsy mbola tontosa ny fifidianana eo anivon’ny seksiona Atsimondrano sy Avaradrano, ho an’ny taranja rugby. Tsy mbola voafaritra ihany koa ny daty hanatontosana izany. Mandra-piandry io fotoana io, miantso ireo kandidà hameno ny antontan-taratasiny hatramin’ny rahampitso ny tomponandraikitra. Toy izany koa ireo fileo­vana tsy mbola nanavao ny taratasy fahazoany miasa «conformité».

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha, ny fiofanana nampanaovin’ny Me Olivier Sicard sy ny Me Narinja Ramanantsoa, eo amin’ ny taranja tae-kwon-do. Nisy ihany koa ny fampakarana tepana ho an’ireo nanaraka ny fiofanana. Taorian’izay, natolotra ny mari-pahaizana Kukkiwon tamin’ny taona 2022.

Araka ny fanapahan-kevitry ny Fiba Afrique, nomena an-dry zareo Angola indray ny fampiantranoana ny “Afrobasket” ho an’ny taona 2025. Tsiahivina fa anisan’ ireo firenena efa nandray izany i Madagasikara na teo amin’ny sokajy zandriny na ho an’ny sokajy zokiny.

Tsy mbola nivoaka ny anaran’ireo atleta, hia­trika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja atletisma. Fihaonana hatao any Cameroun ny 15 ka hatra­min’ny 25 jona ho avy izao. Miandry ny fifampiresahana eo amin’ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena sy ny filohan’ny federasiona malagasy (FMA), ny hanapahana izay hiaro ny voninahi-pirenena.

Partager sur: