Taranja mekanika : miisa 5 ny rallye hiadiana lohany

Tsy miova fa toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, ny isan’ny rallye hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taom-pilalaovana 2024. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny federasiona sport auto Malagasy (FSAM), miisa 5 izany. Hanokatra azy, ny karakarain’ny klioba FMMSAM, hatao ny 8 sy ny 9 jona ho avy izao. Hanaraka azy eo ny Rallye Asacm, hatao mandritra ny telo andro dia ny 12, 13, 14 jolay. Hitohy amin’ny Rallye Gojanga, ny 15, 16, 17 aogositra. Fahe-fatra, ny Grand Rallye de Madagascar, miaraka amin’ny klioba Asa Tana ary hamarana azy ny 15, 16, 17 novambra izay tsy mbola voafaritra izay hiandraikitra azy.
Mahatratra 5 ihany koa ny Run raha 7 ny slalom miaraka amin’ny course de côte. 6 ny hazakazaka eo amin’ny karting, ka anisan’ny hiavaka amin’izany ny Trophée ny 10 novambra. Marihina fa tsy misy ny rallye ho an’ity volana avril sy mey ity, fa mifantoka amin’ny slalom sy Run ary Karting ireo mpanamory voakasika izany. Raha tsy misy fiovana, ny fizarana ny amboara ho an’ireo tompondaka ny volana desambra no manakatona ny taom-pilalaovana.

Torcelin

Partager sur: