Transparancy International – IM: “Mahaiza mifidy ny kandidà sao hanenina”

Nanafatrafatra. Namoaka fanambarana ho an’ny olom-pirenena tsotra amin’izao hiatrehana ny fifidianana depiote izao ny eo anivon’ny Trans­parency International – Ini­tiative Madagasikara (TI-IM). “Fanteno tsara ny kandidà hofidiana mba tsy hanenina”, hoy izy ireo. Notanisain’ny TI-IM amin’izany fa tokony ho olom-pantatry ny ny fiarahamonina ary mahafantatra ny fiarahamonina, sy ny tontolo iveloman’ny olom-pirenena ny kandidà tokony hofidiana. Tsy vitan’izany fa nianatra na mahay ny antom-pisian’ny An­tenimierampirenena sy ny fiantraikan’ny lalàna hofidiany na koa ho laviny. Hentitra izy ireo fa tokony olona vonona hanohitra ny kolikoly na amin’ny fandaniana lalàna na amin’ny fanomezana ohatra tsara amin’ny asany. Tokony mahitsy eo amin’ny fitondran-tena ary tsy mampitafy henatra ny Antenimiera sy ny Repoblika. “Ndao hanao safidy malina sy mari-pototra ary voasaina tsara”, hoy ihany ny TI-IM.
Notsiahivin’izy ireo avy eo fa tsy maintsy voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana no hifidy ireo depiote hisolontena ny Malagasy eny amin’ny An­tenimerampirenena. Anisan’ ny asan’ny solombavambahoaka ny miady ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fandaniana lalàna. Manampy izany ny fanaraha-maso ny asan’ny govermenta sy ny fitantanany ny volam-panjakana, araka ny nambaran’ny TI-IM hatrany.

Synèse R.

Partager sur: