Diamanga vaovao : nizara ny fahaizany Rakotonindriana Parfait

Tontosa ny alarobia lasa teo, teny amin’ny Axian Uni­versity Andraharo, ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny diamanga, taranja ara-panatanjahantena nentim-paharazana malagasy. Nitarika izany teny an-toerana ny filohan’ny Diamanga vaovao, Rakotonin­driana Parfait Andriantsiory. Nizara ny fahaizany mahakasika izany tamin’ireo mpianatry ny Oniversite Ankatso mi­isa 10 mianadahy ny tenany.
Araka ny fanadihadiana natao, mandrato fahalalana momba ny hay fiarahamonina “sociologie”, taona faharoa « 2ème année », ireo nandray anjara. “Tanjonay ny hizara sy hampahafantatra ireo zandry aty aoriana ny tena atao hoe diamanga, mba tsy ho levona ny lanjany eto amintsika”, hoy ny mpianatra iray izay nisitraka fiofanana teny an-toerana. Ny hanampy ny mpianatra ho tafita sy hampivelatra ity ta­ranja mampiavaka an’i Mada­gasikara ity no naneken’ny filohan’ny diamanga vaovao hampianatra ireto mpandrato fahalalana ireto. Notsiahivin’ ny filohan’ity fikambanana ity fa tanjon’izy ireo ny hampahafantatra ny Diamanga amin’izao tontolo izao. “Taranja toy ny haiady Taekwondo, Karate, Judo, ny Diamanga.” Raha ny nambaran’ity filoha ity. Tsiahi­vina fa efa nisy fifaninanana Diamanga natao teo Maha­masina, ny 30 desambra 2023 lasa teo.

Fitia Randria

Partager sur: