Fampahafantarana ny vina : mahazo dimy minitra amin’ny TVM / RNM ny kandidà

“Mialoha ny fampielezan-kevitra, mahazo dimy minitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny kandidà tsirairay hahazoany mampahafantatra ny momba ny tenany na ny antoko misy azy na ny vinam-piarahamoniny ary manentana ny olom-pirenena handray anjara amin’ ny fifidianana”. Io ny fanazavan’ny talen’ny serasera sy ny fanabeazana ary ny fanentanana momba ny fifidianana eo anivon’ny Ceni, Ratsiman­dresy Tianahanantsoa, teny Alarobia, afakomaly, amin’izao fiatrehana fifidianana de­piote izao. Tsy mbola azon’ny kandidà atao ny miteny hoe: “Fidio aho” ao anatin’izay fe-potoana izay. Efa azon’ny kandidà alefa amin’ny alalan’ny mailaka handalo fankatoavan’ny Ceni io fandaharana 5 mn io, izay handeha isaky ny distrika. Ho an’ny faritra Analamanga, handeha amin’ny RNM sy ny TVM nasionaly izany. Mandalo fankatoavan’ny Ceni, ka 72 ora mialoha ny tokony handehanany no tokony handefasana azy hankatoavina. Raha misy olana, miantso ny kandidà ny eo anivon’ny fitaleavan’ny serasera sy ny tomponandraikitra misahana izany ny amin’ny tokony hanamboarana ny rakipeo sy rakitsary.
Mandritra ny fampielezan-kevitra kosa ny ampaham-potoana faharoa, izay mizara roa. Misy ny eny anivon’ny distrika, misy ny eny anivon’ny RNM sy TVM nasionaly: ma­ha­zo 30 s indray mandeha ny kandidà tsirairay hisian’ny fifandanjana eo amin’izy ireo. Eny anivon’ny distrika, mahazo 5 minitra maimaimpoana mandeha indroa isan’andro ny kandidà tsirairay, ary 15 mn indroa eny anivon’ny distrika.

R. Nd.

Partager sur: