FANTINA sy FINTINA

Nirarakompana ny fanesorana Prefet sy lehiben’ny distrika, araka ny fanapahana noraisina teo amin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Toamasina, afakomaly. Maherin’ny 20 ny fanendrena olom-baovao ka anisan’izany ny Prefet an’i Tsiroanomandidy, Mana­kara… Ny sefo distrika any Mandoto, Bealanana, Ma­nandriana, Mahabo,Vohibato
Mitsipaka ny fanaovana fitaovana politika ny mpiasam-panjakana sy anaovana tsindry hampandaniana kandidàm-panjakana ny fianakaviamben’ireo mpampianatra sy mpanabe, araka ny nambaran’izy ireo, omaly. “Tena misavoritaka ny firenena ary latsaka an-katerena ny fanabeazana”, hoy ihany izy ireo.
Tsy ara-dalàna ny tsy naneken’ny Ceni ny firotsahan-kofidin’ny kandidà Arema, araka ny nambaran’ny mpitarika, Ratsiraka Annick. Miisa 25 eo ho eo ireo kandidàn’izy ireo no voalaza fa tsy nahafeno ny fe­petra. “Nahintsana ny firotsahako tany Mahanoro nefa ara-dalàna. Tsy noraisina koa ny anto-bolan’ny namana nefa ny sasany tsy tahaka izany”, hoy izy.
Miisa 473 ireo kandidà depiote hiandrandra ny seza miisa 163 eny Tsimbazaza. Miisa 68 ny mpirotsaka hofidina avy amin’ny Firaisankina raha 16 kosa ny an’ny Kolektifa ary an-jatony ny Irmar sy ny tsy miankina. Efatra amin’ireo kosa anefa efa voafidy mialoha ny fotoana. Anisan’izany ireo kandidà roa any Sambava sy ny any Tsaratanàna ary ny any Lalangina.

Partager sur: