« Ligue des Champions» : fantatra ny ekipa hanao ny manasa-dalana

Nifarana ny alarobia lasa teo ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ny Paris Saint Ger­main (PSG) Frantsa, klioba roa avy atsy Allemagne, Dort­mund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Raha hiverenana ny lalao nandritra ny ampahefa-dalana, ny PSG, nanintsana ny FC Barcelone Espagne. Ny Dortmund nandresy ny Atletico Madrid. Ny Bayern nandavo ny Arsenal Angleterre ary ny Real Madrid nanilika ny Manchester City Angleterre, izay tompondaka tamin’ny taon-dasa. Araka ny fikarohana natao, hatao ny 30 avrily ho avy izao, any Allemagne, ny fihaonana mandroson’
ity dingana manaraka ity, raha toa ka ny 7 mey, any Paris sy Madrid ny fifanandrinana miverina. Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Wembley Angleterre, ny volana jona ho avy io, ny famaranan’ny “LDC 2024”.

Fitia Randria

Partager sur: