Razanamahasoa Christine : “Tandrovy mandrakariva ny fahamarinana…”

Notanterahina omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, sy ny filoha mpisolo toerana, Rabenirina Jean Jacques. Nisy ny hafatrafatra nifanaovana tamin’izany.

Tsotra sy mazava. “Tandrovy mandrakariva ny fahamarinana na hi­hatra aman’aina aza izany”, hoy Razanamahasoa Christine, tetsy amin’ny La­pan’i Tsimbazaza. Nanterin’ity kandidà ho depioten’Ambato­finan­drahana ity koa fa tsy mahafaty akory ny mandefitra raha mahasoa ny firenena sy ny vahoaka izany.
Etsy andaniny, nambaran’ny filoha mpisolo toerana sady zokiolona indrindra amin’ireo filoha lefitra, Rabenirina Jean Jacques, ny fepetra noraisin’izy ireo. Efa misy ny fandaminana amin’izao fifanindrian’ny fampielezan-kevitra sy ny fotoam-pivoriana voalohany ho an’ny depiote am-perinasa, ny 7 mey, izao, araka ny nambarany. “Misy kandidà koa izahay ato fa tsy sakana amin’ny fampandehanan-draharaha sy ny asa efa fanao izany”, hoy ihany izy.

Sonia tsy manan-kery sy tsy manara-dalàna

Ankoatra izany, nohitrikitrihiny fa tsy maintsy mandalo eo anivon’ny birao maharitra eny amin’ny Antenimiera avokoa ny fanapahan-kevitra re­hetra. Tsy misy afaka manao sonia ivelan’ny filoha koa manoloana ny fivoahan’ny taratasy tanaty facebook na­nafoana ny fanendrena ny tale kabinetran’ny filohan’ny Ante­nimiera teo aloha, araka ny nambarany. “Tsy manan-kery izany sonia izany ary tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona sy ny fitsipika anatin’ity Andrimpanjakana ity”, hoy izy.
Notsiahiviny koa fa fahefana faratampon’ny Antenimiera ny fivoriambe azon’ny rehetra atrehina rehefa nandalo ireo dingana samihafa, toy ny birao maharitra sy ny fivorian’ireo filoha.

Synèse R.

Partager sur: