SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Antsirabe, ny 1 hatramin’ny 5 mey ho avy izao, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Fiba 3×3 “Shoot out Bira”, taranja basikety. Hetsika karakarain’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) ity hatao ity.

Hotontosaina any amin’ny nosy rahavavy La Reu­nion, ny 27 hatramin’ny 28 avrily, ny “Festival Rugby, Aroi”. Miisa efatra ireo firenena handray anjara amin’izany, i La Reunion, mpampiantrano, i Madagasi­kara sy i Maurice ary i Mayotte. Efa nisy ny fampiofanana natao ho an’ireo Makis U18, lahy sy vavy, hiatrehina izany.

Hiditra amin’ny ampaha-16n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe de Madagascar”, ny mpakafy baolina kitra eto an-toerana, ny 21 avrily ho avy io. Hiakatra kianja amin’io fotoana io avokoa ireo klioba 16 mifanintsana amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League (PFL)”.

Notoloran’ny filoha vaovaon’ny taranja Taek­wondo malagasy, Rakotomanana Franck Tiana, fitaovana ireo ligy ny alarobia lasa teo. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny teny fampanantenana nataony tamin’ireo ligy ny fizarana fitaovana, hahafahan’ny taranja mivelatra eto an-toerana.

Partager sur: