Judo – Tompondakan’i Afrika : handray anjara i Madagasikara

Afaka miatrika tsara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Egypte, ny 23 avrily ho avy izao, i Mada­gasikara. Araka ny vaovao nampitain’i Said Bruno Eric, filohan’ny Federasiona malagasin’ny judo (FMJ), omaly, nahazo ny tapakilam-piaramanidina, telo avy any amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) izy ireo. “Misaotra ny minisitera (MJS) namaly ny antso avo natao nandritra ny herinandro lasa teo. Saingy mbola olana ny fampiantranoana any an-toerana. Hiezaka hitady va­haolana ny Federasiona”, hoy ity filohan’ny FMJ ity.
Nilaza ny lehiben’ny FMJ fa ry Rasoanaivo Laura sy Ra­zafindrakalo Natacha, vehivavy malagasy judokate, no mpilalao misitraka ny tapakila roa. Natao ho an’ny mpanazatra azy ireo, Randriamasinoro Ma­my, izay tale teknika nasionalin’ny federasiona kosa ny iray. Hiainga any Paris, ha­m­onjy ny delegasiona malagasy any Egypte kosa i Christiane Vital, Malagasy judokate. Hiainga eto an-tanindrazana, ny 22 avrily ho avy izao, ny delagasiona malagasy.
Tsara ny mampahafantatra fa natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “lalao Olympika 2024”, hatao any Paris, ity fifaninanana ity.

Fitia Randria

Partager sur: