SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 28 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Fosa Junior Boeny sy ny 3FB Toliara.

Nampahafantarin’ny Federasiona malagasin’ny basikety, omaly, fa tsy misy ny vola aloa rehefa ma­nao fifindrana na « droit de mutation de joueur » ho an’ireo mpilalao 13 taona no ho midina. Ireo 14 taona no ho miakatra kosa, tsy maintsy mandoa efatra hetsy Ariary, raha toa ka 1 200 000 Ariary ny an’ireo atleta manomboka ny faha-20 taonany.

Afaka 19 andro, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Can 2024”, taranja Rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, i Madagasikara. Tanjon’ny Makis Ladies ny hanao « Mondial 2025 » amin’ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa izay roa voalohany no ho tafita amin’izany.

Tafita hiatrika ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Europa league », taranja baolina kitra, ny ekipan’ny Olympique de Marseille (OM) France. Lavon’izy ireo teo amin’ny fandakana « tirs au but » 4 no ho 2 ny Benifica Lisbon, ny alakamisy teo. Ny ekipan’ny Atalanta avy any Italie no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany.

Partager sur: