Tenisy – ITF/CAT African Junior : hiady ny medaly alimo, anio, i Mitia

Hionona amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo, amin’ny handrombahana ny medaly alimo amin’ity sabotsy ity, i Andraina Voavy Mitia, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy junior.

Resy teo amin’ny manasa-dalana, i Andraina Voavy Mitia, nandritra ny ITF/CAT African Junior, taranja tenisy, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, tao Alger Algerie. Lavon’ilay Egyptianina, Mos­tafa Rahaf tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/0), izy. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa nanantombo tamin’ny teknika sy ny tanjaka, raha ny fizotry ny lalao, ilay Egyptianina.
Porofon’izany, tsy nahazo lalao mihitsy i Mitia nandritra ny seta faharoa. Tsy mbola tapitra akory ny fifaninanana ho an’i Mitia fa hiady ny laharana fahatelo izy, handrombahana ny medaly alimo. Tera­tany Egyptianina hatrany no hifandona aminy amin’izany dia i Tawila Judy. Lavon’ilay Tonizianina, i Houas Iamiss, teo amin’ny dingana manasa-dalana ilany, i Tawila.
Tsiahivina fa efa nandrombaka ny medaly alimo tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika U18, natao tany Egypte i Mitia ny volana febroary lasa teo. Efa dingana goavana ny vitan’i Mitia izay niady irery tamin’ity. Tsy nahazo fanohanana mihitsy mantsy ny tenany, niatrika ity fifaninanana ity.

Fantatra ihany koa fa tafita amin’ny manasa-dalana ihany koa, eo amin’ny fiadiana ny Abidjan ITF World Tennis Tour – J30, tanterahina any Côte d’Ivoire, Rasendra Miotisoa. Hidona amin’ilay Tonizianina, Bicene Benzaled, eo amin’izany dingana izany. Raha tsiahivina ny vokatra nataony, anisan’ny dingana goavana vitan’i Miotisoa ny nandreseny ilay Frantsay, i Margo Andrieu. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/4) io mpifanandrina taminy io.

Tompondaka

Partager sur: