« Enduro Sherco Motul» : nahazo fandresena Andrianirina Andy

Notanterahina afakomaly, teny Merimandroso Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto “Enduro Sherco Motul”. Tamin’ity andiany voalohany ity, nahazo ny laharana voalohany Andrianirina Andy, Malagasy mpilalao Moto. Nahavita “tours” in-17 tao anatin’ny adiny roa izy rehefa avy namakivaky ny lalana feno sakan-dalana sy fotaka.
Teo amin’ny laharana faharoa kosa no misy an-dRazafinarivo Miadantsoa, izay nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara, Moto Enduro, ny taona lasa teo. Fahatelo tamin’ity lalao ity kosa i Sikina Kentie. Raha tsy misy ny fiovana, hatao eny Ambohidava, ny faran’ny herinandro ho avy izao, ny “Mini Challenge MX”.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hiatrika ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Moto Scooter Slalom” ny mpakafy kodiaran-droa rehetra. Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, izany.

Fitia Randria

 

Partager sur: