SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny 1/16-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nisafidy ny hiala an-daharana, noho ny antony ara-bola, ny Tsaramandroso FC, klioba mifaninanana amin’ny « Pure Play Football League”. Mbola hanefa ilay sazy amin’ny « PFL» izy ireo, araka ny vaovao voaray.
Tafita avy hatrany amin’ny dingana faharoan’ ny fifaninanana « World Tour Tennis Junior j 60”, Rasendra Miotisoa, vehivavy malagasy mpilalao tenisy. Iray amin’ilay Tonizianina, Chema Kammoun, sy ilay ivorianina, Marie Ange, no hifanandrina aminy, araka izany. Tsiahivina fa voahosotra ho tompondakan’i “WTT Junior J30” i Miotisoa.
Lavon’ny Real Madrid FC tamin’ny isa 3 no ho 2 ny ekipan’ny FC Barcelone, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne « La Liga », ny alahady alina lasa teo. Mitarika, laharana voalohany hatrany, ny Real Madrid, araka ny fikarohana natao raha toa ka faharoa ny FC Barcelone.
Adin’ny samy Manchester, Man City sy Man United, ny lalao famaranan’ny “FA Cup”, Angleterre. Tsiahivina fa lavon’ny Man City tamin’ny isa 1 no ho 0 teo amin’ny manasa-dalana ny Chelsea ary ny Man United nanintsana ny Convetry City teo amin’ny fandakana “tir au but” 4 no ho 2, raha nisaraka ady sahala 3 no ho 3 teo amin’ny fe-potoana ara-dalana.

Partager sur: