Kitra : nesorina ny SG sy ny DAF an’ny FMF

Miroso amin’ny fanavaozana ireo ekipa eo anivony ny komity mpitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao. Fantatra fa nesorina tamin’ny toerany ny sekretera jeneraly (SG) teo aloha sy ny tale misahana ny vola (DAF). Araka ny tati-baovao, ny talata 16 avrily lasa teo no nisaorana izy ireo, nandritra ny fivoriana fanaon’ny komity mpanatanteraka.
Andrasan’ny rehetra, araka izany, ny fanambarana ofisialy avy amin’ny federasiona izay olona hisolo sy handray ny andraikitra vaovao amin’ireo toerana saro-pady ireo. Ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, izay mbola mandalo fotoan-tsarotra noho ny tsy fahazoan’ny kianjan’i Mahamasina fankatoavana. Ao anatin’ny fandresen-dahatra ny Kaon­federasiona Afrikanina (CAF) ny amin’ny handraisana ny lalaon’ny Barea, hatao ny volana jona, eto Madagasikara, izy ireo, amin’izao fotoana izao. Mandra-piandry izay, mitohy ny asa fanamboarana etsy Mahamasina, izay takin’io rafitra misahana ny baolina kitra aty Afrika io.

Tompondaka

Partager sur: