SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo, tanterahina any Egypte, ny 24-28 avrily ho avy izao, ny ekipam-pirenena malagasy. Miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy izy ireo no efa any. Araka ny fandaharam-potoana, ny fihetsika mirindra “kata” no hanokatra ny fifanintsanana ho an’ireo mpandray anjara.
Hotontosaina, anio, ny lalao hihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny Kakambary. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”. Tsara ny mampahatsiahy fa naverina ity fihaonan’ny roa tonta ity noho ny haratsian’ny toetr’andro tany Ambatondrazaka.
Tafita amin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana “World Tour Tennis Junior J60” ireo lehilahy, Malagasy mpilalao tenisy, Raoily Mahery sy Andriantefihasina Mirija. Raha tsy nisy ny fiovana amin’ny fandaharam-potoana, niatrika ny lalao ho an’olon-droa miaraka izy mirahalahy ireto, omaly.
Thiago Silva, brezilianina mpilalao baolina kitra, handao ny klioban’ny Chelsea FC Angleterre, araka ny fikarohana natao. Tsy hanohy ny fifanarahana amin’ity ekipa anglisy ity intsony ny tenany, raha ny vaovao voaray. Tsiahivina fa 39 taona i Thiago Silva ary efa nandrombaka ny Ligue des Champions (LDC) ny taona 2021 niaraka tamin’ny Chelsea.

Partager sur: