Handball – «Licence D IHF» : mpanazatra 18 miofana

Nanomboka omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra, eo amin’ny taranja handball. Mahatratra 20 mianadahy ireo miatrika izany avy amin’ny ligim-paritra 7 eto Madagasikara. Mitarika izany ilay manampahaizana frantsay, avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, i Alain Desserten. Lohahevitra maro no ifantohan’ny fampianarana. Manomboka any amin’ny fomba fitarihina ny fanazarantena, ny fitsipika mifehy ny lalao, ny fomba atao ao anaty fifaninanana, ny fampitana ny teknika amin’ny mpilalao sy ny fampiasana ny paikady, mandritra ny fifaninanana.
Mizara roa ny fiofanana ka “theorie” ny maraina ary fampiarana eny an-kianja, ny folakandro. Hanana ny lanjany lehibe ity fiofanana ity satria hahazoana ny mari-pahaizana “licence D IHF”. Araka izany, hisy ny fanadinana hitsapana ny fari-pahalalan’ireo mpiofana any amin’ny fiafaran’ny fampianarana. Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny alahady 28 avrily ho avy izao, ity fiofanana ho an’ny mpanazatra ity.

Torcelin

Partager sur: